1 Corinthians 6

1Rehefa misy iray aminareo manana ady amin’iray hafa, sahy handeha any amin’ny fitsarana eo anatrehan’ny mpitsara tsy mpino ve izy, fa tsy eo anatrehan’ireo mpino? 2Moa tsy fantatrareo ve fa ireo mpino no hitsara an’izao tontolo izao? Raha izany, ianareo no hitsara an’izao tontolo izao, moa tsy mahavita mandamina raharaha madinika ve ianareo? 3Moa tsy fantatrareo ve fa hitsara ireo anjely isika? Toy ny ahoana, noho izany, ny fihoaran’ny fahafahantsika mitsara ireo raharaha amin’ity fiainana ity?

4Raha toa ary ka afaka mitsara ny zavatra izay miseho amin’ny andavanandrom-piainana ianao, nahoana ianao no mametraka karazana tranga tahaka izany eo anatrehan’ireo izay tsinontsinona ao amin’ny fiangonana? 5Hahamenatra anareo no hilazako izany. Moa ve tsy mba misy ampy fahendrena na dia iray akory aza eo aminareo handamina ny disadisa eo amin’ny mpirahalahy? 6Fa kosa, misy mpino iray mandeha mifanatrika amin’ny mpino hafa eo amin’ny fitsarana, ary izany raharaha izany dia hapetraka eo anatrehan’ny mpitsara izay tsy mpino!

7Ny fisian’ny ady eo aminareo Kristiana rehetra dia efa faharesena ho anareo sahady. Fa tsy aleo ve mijaly amin’ny fahadisoana? Fa tsy aleo ve avela ho voafitaka ny tenanareo? 8Fa ianareo dia nandiso sy namitaka ireo hafa, ary dia rahalahinareo ihany izy ireo!

9Moa ve tsy fantatrareo fa ny tsy marina dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra? Aza mino lainga. Ireo vetaveta, ireo mpanompo sampy, ireo mpijangajanga, ireo lehilahy mpivaro-tena, ireo izay miara-mandry amin’ny samy lehilahy, 10ireo mpangalatra, ireo tsy mahalala onona, ireo mpimamo, ireo mpanaratsy, ireo mpanao an-keriny—tsy misy iray amin’izy ireo handova ny fanjakan’Andriamanitra. 11Toy izany ny sasany aminareo. Fa efa voadio ianareo, nohamasinina ianareo, ary voamarina teo amin’Andriamanitra ianareo tamin’ny anaran’ny Tompo Jesosy Kristy sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika.

12“Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna amiko,” fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa. “Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna amiko,” fa tsy ho andevozin’ny iray amin’ireo aho. 13“Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo natao ho an’ny hanina,” fa Andriamanitra dia hanafoana azy roa ireo. Ny vatana dia tsy natao ho an’ny fijangajangana. Fa kosa, ny vatana dia natao ho an’ny Tompo, ary ny Tompo dia hanome ho an’ny vatana.

14Andriamanitra dia efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika amin’ny heriny koa. 15Moa tsy fantatrareo ve fa ny tenanareo dia rantsam-batan’i Kristy? Ka ho entiko ve izany ireo rantsam-batan’i Kristy ary hampiray azy ireo amin’ny mpivaro-tena? Tsy hisy anie izany!

16Moa tsy fantatrareo ve fa izay miray amin’ny mpivaro-tena dia lasa nofo iray aminy? Tahaka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: “Ho nofo iray ihany izy roa.” 17Fa izy izay miray amin’ny Tompo dia lasa fanahy iray Aminy.

18Hialao ny fijangajangana! Ny fahotana rehetra hafa izay ataon’ny olona dia ivelan’ny tena, fa ny olona mpijangajanga dia manota ho amin’ny tenany ihany.

19Moa ve tsy fantatrareo fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay monina ao anatinareo, izay azonareo avy amin’Andriamanitra? Moa tsy fantatrareo ve fa tsy anareo ny tenanareo? Fa olom-boavidy ianareo. Noho izany dia mankalazà an’ Andriamanitra amin’ny tenanareo. [Fanamarihana: Ireo dika-teny taloha sasany dia mivaky toy izao hoe: “Noho izany mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo sy amin’ny fanahinareo, izay an’ Andriamanitra.” Fa ny dika-teny tsara indrindra dia tsy mivaky toa an’io.]

20

Copyright information for PltULB